FIKASANA VAOVAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIKASANA VAOVAO

Aza mampahory saina
Amin-java-tsy tanteraka
Aza dia miferinaina
Amin-java-tsy ho teraka

Aoka hionona ny fo
Hanadino irony lasa
Ka hibanjina any aloha
Sy hanova ireo kinasa

Dia ankino amin’ny Ray
Ireo fikasana vaovao
Fa Izy irery no mahay
Izay hahasambatra anao

Ny vorona aza anie ahiany
Sy ny ahitra any an-tsaha
Mainka fa ianao izay tiany
Fa aza manana ahiahy

Tsiky Arofanina – 21/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
990 3
Hevitra mandeha
mandresy1 ( 21/11/2015 07:14)
m'sotr eh na dia t@le fampiononana fotsn az
Arofanina ( 29/11/2015 08:20)
Tsy misy fisaorana fa dia mahasoava e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 21/11/2015 04:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158