FIRAISAM-PO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRAISAM-PO…
Izaho avy no ontsa sy vesaran’alahelo raha sendra anao tomany
Satriko aza ho teo anilanao hamaoka izany ranomasonao nikoriana
Hanambitamby anao, no sady ho nampahery tamin’ny feo sy teny mamy
Angamba mba ho nampitony ny alahelo sy ho nivimbina hafaliana…

… Indrisy mantsy ry fitiavana! Lakalaka ny fiainana rehefa injay ianao mandalo
Tsy mitoetra ianao anefa fa mandalo vetivety sy miserana dia izay
Ny dindo izay napetrakao, namela ratram-po nanolatra sy nampivalo
Hany herin’ilay namako, ireo dobokelim-pony nandompatra mamaivay
Tsy navelanao akory, veloma tsy nifanaovana, tsy nisy na fotoana fohy
Hifamihinana, hametrahana na dia safosafo kely sy oroka mavàny
Fifandaozana an-tery, tsy nahafahana nanoatra, fa dia toy ny hoe: sorohy,
Adinoy sy foany ilay fitia niorim-paka, no hafatra nataonao sesilany…

Soa anefa nomenao herim-po sy herin-tsaina mba ho enti-manadino
Koa miangavy anao aho ry ilay fitia, aoka re ianao tsy hirongatra intsony
Satria efa nomenao azy hasambaram-baovao, fanahy koa ho enti-mino
Fanombohana indray fiaina-lavitra alahelo hiainany amim-po tony

RFE Andria – 02/06/14
--------
Rohy:
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 13:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122