FO MITROATRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO MITROATRA

Malagasy tsy misaina
mandatsa-drà ireo mpiray aina
feno fitiavan-tena
ny vola no mahajambena
hamoteham-pirenena
tsy hay raràna, tsy hay fefena
Fa nataonao ts'isy vidiny
ny ain'ireo tsy manam-pidiny
k'indro 'zato fo mitroatra
sy fanahy misendoatra
no manozona anao
hitodian'izay natao

RFE Andria - 27/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Hatezerana
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 27/06/2016 11:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031