HABAKA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HABAKA

Iny lanitro iny
Ravahan’ireo kintana an’alinkisa
Maha-te hivahiny
Satria dia tokonan’ilay paradisa

Ny ao ilaozan-tsento
F’anjakan’ireo kintana mamiratra
Tontolom-betsovetso
Lavitry ny fotaka mandrevo sy ny dilatra

Habakaba-nofy
Hazavain’ireo jiro kintan-manjopiaka
Manaisotra ireo rofy
Natonton’ny eto sy ny olany mandriaka

Habaka « fitiavana »
Ilomanosan’ireo tia sady tiana
Tsy manavangavana
F’anasana anao higoka am-pifaliana

Ianareo sakaiza
Na ny tamin’ny omaly na ny ankehitriny
Na aiza na avy aiza
No kintana mandravaka iny lanitro iny

RFE Andria – 26/04/2015
--------
Lien:
Catégorie : Namana
850 1
Fans: hjravs
Commentaires
hjravs ( 27/04/2015 05:13)
Mahafinaritra 'lay aingam-panahy, omeko isa 5!
Arofanina ( 02/05/2015 15:12)
Misaotra nankafy sy nanome isa 5!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 26/04/2015 08:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154