HANDIHY IANAO SA HITOMANY? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANDIHY IANAO SA HITOMANY ?

Rehefa higadona ilay ora izay handaozako ito tany,
Handihy ianao sa hitomany?
Eny, ianareo rehetra izay mifampikasika amiko ireo:
Moa hifaly ve sa hitoreo?
Lasalasa mantsy izany saiko dieny mbola velona eto:
Handatsa ianao ve sa hisento?
Fa fantatro ihany fa tsy soa sy tsara na mamy avokoa
Raha ny hatramin’ny taloha
No asa izay hanaraka ahy, fa misy ratsy ihany koa
Moa ianao hamohafoha?
Sa hamerina an-tsiahy ireo mba soa kely vita
Hamelo-maso ireny ho hita?
Ka raha ho avy ilay fotoana tsy hahafahako mamaly,
Halahelo ianao sa ho faly?
Moa ianao hanatitra ahy hatreo am-baravaram-pasana
Sa hipia-kelika dia lasana?
Miala tsiny indrindra re fa mba manitikitika ahy
Hanao ahoana re ry lahy :
Rehefa higadona ilay ora izay handaozako ito tany,
Handihy ianao sa hitomany?

RFE Andria – 01/08/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
683 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109