HASAMBARANA!!! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HASAMBARANA!!!

Faly aho, tena faly !
Tsy satria hoe afa-jaly
F’afa-nanoroka ilay tiako:
Tanteraka ny fifaliako!
Ny nonofisiko dia to:
Nifamihina isika roa
Hasambarana aok’izany
Toy ny tsy nandia tany…
Sambatra e! tena sambatra:
Ny fontsika roa nitambatra
Ny tenantsika nifandray
Mova tsy toa olona iray
Dia misaotra akia Malala
Mba nitia ilay foko adala
Irariako ity hasambarana
Ho doria ka tsy hifarana… !

RFE Andria – 07/10/2014
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148