HO AIZA...? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AIZA...?

Misondrotra avokoa izao afa-tsy ny karama
Handeha ho aiza indray izahay mitamatama?
Korontana ivelany, korontana anatiny
Izahay madinika no mihinana ny fatiny
Tsy olana izany ho an-drizareo lehibe
Fa ho anay kosa: "aiza no haleha?"
Efa isan'andro ny sakafo ambany foitra
Tsy hita izay herehina, ho aiza no hitroatra?
Ka hoy izahay hoe: avy aiza dia ho aiza?
-Ny hany ataoko anao: MISIKINA ry sakaiza!
Aoka hatrany ho vanona, ho olon-tsara taiza
Ny marina tsy maty na oviana n'aiza n'aiza...

Tsiky AROFANINA - 08/07/2015
--------
Rohy:
692 1
Mpakafy: winner
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 08/07/2015 16:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159