HO ANAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO… !

Ho anao ry namako iny
Tsy noho ny tsiny
Fa mba hamerenana eny imolotrao ny tsiky
Sy hanafoanana ny alahelo izay nikiky
Ho anao irery sisa
Amin’ireo maro analinkisa
No iverenako ilalana ka hanoratra indray
Noho ilay fitia mivaivay
Tsapako avy aminao
Izay tsy nionona amin’izao
Fa nanjary nalahelo
Ny fonao namelovelo
Tam-pandrenesana ny teniko
Fa hatsahatro ny peniko…
Ho anao irery ihany
Eto ambonin’ity tany
Ho famafana ny tomany
Izay vokatr’izany
Ho anao, eny ho anao
No iverenako sahady dieny ankehitriny izao
Ka indro averiko eto indray
Fa hatrizao, toy ny hatrizay
Ho anao dia noho ianao
No amohazako izao
Sy anaingako indray ny peniko
Ka anohizako ny teniko
Fa mbola tiako ho hita foana
Ny hafaliana sy haravoana
Rehefa ianao ilay mankafy
Ny onjaonjam-pitia
(Dia azafady raha nanaitra
Sy namela takaitra…)
Izany moa e!!!

RFE Andria – 14/06/14
--------
Rohy:
1219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155