HO INOKO? - RFE Andria
Azo vakiana?
HO INOKO?
Ho inoko ny ho tia
raha toa ka setraina
sakana ny dia
dieny vao maraina?
Ho inoko ny tiana
raha toa ka toy izao
tsy azoko valiana
ilay fitiavanao?
Fa fitia mifamaly
no hany mba tadiaviko
Ho inoko ny ho faly
raha ianao ho laviko?
RFE Andria - 02/10/2016
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 02/10/2016
Mpamangy : 933
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA