HONO HO'AHO....? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hono ho’aho …. ?

Hono ho’aho,
Maty ve ilay fitia
Noheveriko ho doria?
Fa teny an-tanan’olon-kafa
No nahitako anao nitafa,
Sambatra sy faly erỳ toy ny mpifankatia.
Tsy niteny aho fa nangina
Sy variana dia variana.
Tsy nahaloa-bava akory,
Hany heriko natory.

Hono ho’aho ry malala,
Moa ianao tsy mankahala?
Tiako ianao! Tiako loatra!
Nefa aho tsy afaka manoatra.
Tsia!
Tsy mety mino izao ny saiko
Raha ilay olona lalaiko
No ho tia olon-kafa
Ka hanjary hihafahafa.

Ry malala ô! Valio,
Tsy ampitso fa anio:
Maty ve ilay fitia
Noheveriko ho doria?

RFE Andria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
944 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 12/02/2015 05:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0906