HOROHOROM-PITIA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOROHOROM-PITIA

Izaho angaha nampatory no hoe: nampifoha?
Ianao no he niafina, tsy te hijery ihany koa
Tsy ho dify ny salovako raha ianao nibanjina ahy
Ny nofoko ihany no tsy teo fa tsy ny fo amam-panahy

Izaho Malala tsy nandao fa teo anilanao hatrany
Ny fitiavana ao am-poko toy ny horohoron-tany
Tena sarotra adinoina fa hita soritra hatrary
Mamela dindo tsy mety miala ny horohorom-pitia

Aza ahilika ireo tsiahy sao ianao ho sasa-poana
Hiantso zavatra tsy misy dia ny fanadinoana
Fa na hiato vetivety aza ny horohorom-pitiavako
Dia hanjohy anao hatrany raha ny fisehony rahavako

Ny hotsokotsoky ny fonao noditsohin-dranomaso
No nanakonaa tsy ho hita izany sompatry ny ankaso
Tsy vahaolana ny lositra ry malalako, avia !
Moa tsy tsapanao am-poko ny horohorom-pitia?

Aza afenina, boraho ilay fitia nitambolona
Ka meteza ianao hoentiny, atsaharo izany tolona
Ny hahasambatra anao no hany tena hasambarako
Ny handao dia sanatria fa mbola hitohy ny tantarako…

RFE Andria – 27/05/214
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
718 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162