IANAO NO DERAIKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO DERAIKO

Vao mifoha isa-maraina
Mitodika Aminao ny saina
Ianao ilay Loharanon’aina
Ianao dia Ianao no deraina

Manomboka vao miranandro
Mitobaka toy ny isan’andro
Ny fitahiana arotsakao ry Raiko
Ianao irery no deraiko

Rehefa mitehika ny hariva
Ny fahasoavanao mandrakariva
Mandonaka ny karankaina
Ianao hatrany no deraina

Mandritra ny alina atoriana
Fiarovan-tsisy fanahiana
No indro anomezanao baiko
Noho izany Ianao deraiko

RFE Andria – 03/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
892 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 03/11/2015 05:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157