IANAO NO FANANTENAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO FANANTENAKO

Na manonja toa inona ny ranomasina lalovako
Na miendrika hikoro izato rindrin’ny rovako
Tsy hitanondrika aho satria ato anatiko manako
Ny fahatokiana feno: Ianao no fanantenako!

Mety handrahona angamba ny lanitra isidinako
Mety koa hisy hantsana ny làla-miakatra idinako
Tsy mampaninona ahy akory izay mety hiafarako
Satria Ianao Jesoa mbola eo: Ianao no fanantenako!

Na hikija izaitsizy ny oram-baratry ny olana
Eny, mety hampibolisatra sy hampisolantsolana
Tsy hanahy aho fa tazako ilay hazavana bakobako
Manome toky hatrany fa Ianao no fanantenako!

Ianao izay efa nitantana ny fiainam-pahazazako
Ianao no efa nanolorako ny fiainam-pahatanorako
Ka na homainina aza ny aiko sy horitina ny rako
Izaho tsy miala Aminao: Ianao no fanantenako!

RFE Andria – 07/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1205 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/11/2015 06:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156