IANAO POETA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO POETA

Ianao poeta no masony mijery
ary koa mahita ireo fono mistery
Ianao poeta no tanany mandrangotra
rehefa ilay misy mampisambotra
Ianao poeta no tongony mitsipaka
entiny manohitra ireto mpandripaka
Koa dia herezo izato adidy masina
ho enti-manarina ireo mitsinkasina

RFE Andria - 20/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 20/07/2016 14:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149