ILAY MALALAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY MALALAKO…

Any ho any hoy ianao?
Tsia dia tsia! hoy izaho…
Tsy mba nofy sanatria fa dia misy, tena misy
Izay Malalako izay, manjopiaka toy ny lisy
Kanto toy ny vonin-draozy vao mivelatra maraina
Tsy dia lavitra any ho any fa efa monina ato an-tsaina
Isan’andro dia ventesiko toy ny hira ny anarany
Dia toy izany koa izy amiko, araka izay ambarany
Tsy mitsahatra ny miantso sy manonona ny anarako
Ilay fony mitia ahy no vatofantsika amaharako
Tiako! tokana aman-tany izay Malalaniaiko izay
Endrey izany hasambarana rehefa izahay no tafaray!
Satry ihany hifamihina sy hifanoroka eo foana
Mifamboraka fitia,tsy mahatsiaro izay hoe noana
Izay no lanitra nomaniny ravahan-kintana alin-kisa
Ilay tontolo ianohako ny fitiavany ao am-paradisa

RFE Andria – 10/07/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1422 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158