ILAY OROKAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY OROKAO…

Somambisamby tamin’izay no nifanoroka isika
Tsy tsaroana kely akory ilay ririni-nangatsiaka
Ny orokao tena mamy no toa afo nanafana
Izany tenako tontolo nihovitra toa nigagana

Hotsarovako hatrany raha iny orokao iny
Ilay indray takariva mahatsara ny vahiny
Nalain-kisaraka isika, nangina koa tsy niteny
Fa variana teo nianoka: oroka ilay lavareny

Satry foana re Malala hifanoroka aminao
Rehefa izany aho dia toy ny ao am-paradisa vao
Na maraina na atoandro, hariva eny koa na alina
Dia tiako ny orokao, oroka ilay tena lalina

Orohy akia aho Malala an! Dia orohy foana foana
Orohy foana isan’andro, orohy koa mandavan-taona
Orohy hatrany anaty nofy, na tsy hita manoloana
Orohy hatrany n’aiza n’aiza, aza iandrasana fotoana

RFE Andria – 27/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1057 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217