ILAY SARINAO IRAY... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SARINAO IRAY...

Tsy afaka ao an-tsaiko akia ilay sarinao iray
Fa toy ny vita sikotra ao anatiko izy izay
Dia ilay sary antsoin'ny vahiny hoe "selfie"
Fa narakitrao ao ilay fitia tena fitia...

Io ilay sary iray lalaiko, tena mamiko tokoa
Sary tokana aman-tany tsy mba manam-paharoa
Io no sisa mba tavela, hany sisa mba ananako
Ho tohin'ny tantarantsika izay satry tsy ho faranako...

Io ilay sary, isan'andro tsy maintsy hoe jereko kely
Satriko ihany ho eo foana fa tena mamy toa tantely
Io ilay sary izay nofisiko isan'alina matory
Mampitony ny alaheloko, manafa-tsorisory...

Io ilay sarinao iray tsy natao hisy hafa hijery
Fa natokanao ho ahy dia ho ahy samirery!!!

RFE Andria - 03/04/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1486 1
Mpakafy: Arofanina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 03/04/2016 13:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149