IREO LASA RATSIKO - RFE Andria
Azo vakiana?
IREO LASA RATSIKO
Itodihako lamosina ireo rehetra lasa ratsiko
Tsy hiherehako intsony, eny, mandra-pahafatiko
Hohadinoiko, hofoanako ireo lasa bobongolo
Hataoko ho toy ny tsy nisy na ny avelony nandolo
Hodorako anaty memy ireo tsiaro tsy mba tiako
Hatramin’ny avelony aza dia havalako, hariako
Ho entin-dranobe hivarina amin’ny varo tsy mifody
Tsy hanangatra intsony na hitamberina hanody
Ataoko momba ny lasa ireo lasa ratsiko ireo
Tsy avelako intsony hampijaly, hampitoreo
Tsy hanorisory intsony ity fiainako efa niova
Tsy hotsiahiviko akory na hotehiriziko toa lova
RFE Andria – 21/09/2015
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : ArofaninaDaty : 21/09/2015
Mpamangy : 1472
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA