IRERY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRERY

Izaho irery no ato an-trano
manina, manganohano
mahatsiaro ny fahiny
mitazana iny lalana iny

Teo mantsy isika niaraka
toa nalaina ny hisaraka
nifampitantana hatrany
toy ny tsy nandia tany

Ankehitriny, izaho irery
ny fo amam-panahy toa very
zary lasa ambiroa
malahelo anao tokoa!

Izaho irery no ato an-trano
manina, manganohano
te ho any! te ho any!
Indrisy! tsy afaka mankany...

RFE Andria - 12/08/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Fitiavana
1265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 12/08/2016 07:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117