ITY ATAONAO E...! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY ATAONAO E…!

O ! Ra-Fanja a ! mba saino, hevero kely
Jereo ny mahamaika sy vaovao miely
Fa ianao ve jamba sa minia mikimpy
Sa fanahy inianao ny mahalikiliky?

Tsy henonao va re sa odianao tsy heno
Ny fanambaran’ilay akoho* iray naneno?
Hoy mantsy izy: azy tsy iadiam-barotra
Ireo nosinao**, na ho mora na ho sarotra

Dia mangina ianao, tsy andrenesam-peo
Sa miafina mihitsy, tsy misehoseho?
Toa vatobe anarany, hoy aho tsy misorona,
Fa rehefa tsy miteny dia angerezam-borona

Asa loatra lahy! Fa ity no tadidio:
Ianao izao no eo ambony seza anio
Sahia ianao mijoro, meteza hanambara
Takio ireo nosy** ireo fa an’i Gasikara

Tsiky Arofanina – 29/10/2015

*akoho: biby famantarana firenena iray (le coq français)
**ireo nosy : îles éparses (Îles Tromelin, Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India)
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
1023 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/10/2015 22:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157