You are here: home > Vetso

ITY RIRININA ITY - RFE Andria

Azo vakiana?

ITY RIRININA ITY

Mangatsiaka loatra
Ity ririnina ity
Mila hampitroatra
Ity ririnina ity
Mampijaly vahoaka
Ity ririnina ity
Tsy mampisy laoka
Ity ririnina ity
Manjombonjom-dava
Ity ririnina ity
Tsy mahamiran-tava
Ity ririnina ity
Maha manirery
Ity ririnina ity
Nanokatra ireo fery
Ity ririnina ity
Maha manimanina
Ity ririnina ity
Sady mahafanina
Ity ririnina ity
Manerikerika alina
Ity ririnina ity
Masiaka sasakalina
Ity ririnina ity
Tena nampahory
Ity ririnina ity
Tsy mampahita tory
Ity ririnina ity


RFE Andria - 15/08/14

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015
Mpamangy : 625
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA