IZAHO KOA TIA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO KOA TIA

Mirohondrohona ato am-poko akia ny onjaonjan’ny fitia
Mandrotsirotsy ny fanahiko izay tena babon-dry
Toy ny hitako anoloana ilay salovanao izay mamiko
Toa mamerina ireo bitsi-pitiavana nataonao tamiko
Tsy mba sary loatra intsony raha ny fahitako anao
Fa toy ny tena izy ny fahatsapako ny fanatrehanao
Misaotra akia malala an! tsy namela ahy ho irery
Nampigoka ahy hatrany ilay fitiavanao tsy an-tery
Toky no omeko anao: raha mbola velona ny aiko
F’izaho tia anao doria mandra-pialam-pofonaiko!!!
Ka aza asiana fanahiana na dia iray minitra monja
Ny fitiavako anao, mahery vaika noho ny onja
Ny dobodoboky ny fonao, dobodoboka fitia
Reko koa izany akony, eny henoko hatraty
Ka mamaly izany foko, efa mila hiantsamboatra
Tsy ho voahazona ao an-tratra fa mitady koa hitroatra
Ny sandan’ny fitiavanao? Dia omeko ny fitiavako
Omeko anao manontolo, ho anao irery re rahavako
Ny anao fitia nitsaika ary koa vao hamololonaa
Ny ahy fitia hatrizay no tsy nozaraiko taman’olona
Fa notehiriziko ho anao; natokako ho anao malala
Fitia tsy roa aman-tany, fitia tsy manan-tsahala
Raha ny tolona ataonao, hamikina elanelan-tany
Ny ahy kosa akia ry tiana, mampanidina ambony any
Mahatonga anao ho anilako isaky ny iray minitra
Miaraka amin’ny tsikinao manaisotra ny pitrapitra
Fa ny tsy andriko indrinfra akia dia ilay isika roa hihaona
Hiara-hianoka, hivoky izany fitia mandavan-taona
Fa mandra-pahatonga izany, ny tsikinao mambabo ahy
No ho namako isan’ora, hampisambatra fanahy…

RFE Andria – 02/08/14
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
944 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/02/2015 06:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157