IZAHO SY IANAO MIRA ISIKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO SY IANAO MIRA ISIKA

Malala an!
Fony mbola IZAHO irery fa ianao tsy teo anilako
Zary tany hay ny fiainako fa nitady anao ilay silako
Nipopopopo sy nitety vazan-tany ny fanahiko
Nikaroka, nitia sahady an’ilay fitiavanao: ilay ahiko

Fony mbola IANAO irery fa tsy teo koa aho, tsaroako
Fa ilay fo kelinao, tsy nialan-tsento sy toloko
Dia nitady, nanantena fiainam-pahasambarana hafa
Handosiranao ny jaly sy taraina nampijafa

Ka nony nifanojo ISIKA teto anivon’ny voaary
Mova ny fontsika roa tsy toy ny sila-boasary
Izay nakambana hanome voankazo iray tena mamy!
Lasana any izany ngidin’ny fiainana an-tany

IZAHO sy IANAO anie malala no nanjary lasa ISIKA
Ny foko sy ny fonao tonga fo iray manjopiaka
Fo ampoka fifankatiavana tena feno hasambarana
Hiara-hiano-pifaliana hatrizao ka tsy hifarana…

RFE Andria – 28/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 17:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107