IZANY VE IANAO DIA TIA ? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Nosoratana ho famperitreretana ireo izay milalao ny fon’ny hafa)

IZANY VE IANAO DIA TIA ?

Izany ve ianao dia tia?
Mampahory, mampijaly
tsy mba miezaka hampifaly,
manangana ady isan’andro
mandra-podin’ny masoandro…?

Izany ve ianao dia tia?
tsy mahafoy ho an’ilay tiana
izay vao mainka ampihafiana
sady koa ampirafesina
dia darohanao, velesina…?

Izany ve ianao dia tia?
manao teny mitratreva
sy boloky homam-boatseva
mamy ny atsy, fy ny arý,
lalaovinao ny fitia…?

Izany ve ianao dia tia?
hafa raha ny fihetsikao
manipaka izay lazainao;
tsy vonona ny hampakatra azy,
hay fitia vazivazy …?

Koa azafady re ry nao
izory izato lalanao ;
dia ovay koa ny famindra
fa fo, fanahy tsy mirindra
no mamaritra anareo
koa aoka hajanona hatreo !!!

RFE Andria – 23/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
982 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 17:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262