You are here: home > Vetso

JESOA, PASKA HO AHY - RFE Andria

Azo vakiana?

JESOA, PASKA HO AHY

Misaotra Anao aho Jesoa fa navotanao tsy ho very
Nisolo voina ahy Ianao : FITIAVAN-DEHIBE tsy an-tery
Izaho no tokony ho faty, nefa Ianao no nofantsihina
Ianao no maty ho ahy rehefa atao ny fandinihana

Dian-kapoka, habibiana, satro-tsilo, fandatsana
Samy niaretanao noho izaho nandika lalàna
Ny ratra maro izay nanenika ny nofonao torotoro
No nentinao hanasitranana ny tenako mba tsy hikoro

Ny rànao nijininika no nanadiovanao ny fahotako
Ny toetra ratsiko rehetra, dia izaho izay toy ny fako
Saingy kosa sarobidy teo anatrehanao ry Jeso
Ka nisetranao henatra : fahafatesana maneso

Ny faratampony aza dia ilay Ianao niady irery
Lasa toy ny vongan’ota ka ny Ray tsy nahajery
Nahatonga Anao nihiaka : Ely, lamà sabaktany !
O ! avo loatra, Jeso ! lehibe loatra ilay FITIA !

Inona no ‘ndeha havaliko Anao paska ho ahy ?
Raiso Tompo ho Anao : ny fo sy saina ary fanahy
Ateriko ho toa fanatitra ny androko rehetra sisa
Mandra-pihaonantsika indray, tsy ho ela, am-paradisa…

RFE Andria – 03/04/2015

Sokajy : Fety, Fiderana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 03/04/2015
Mpamangy : 1294
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA