KAMBOTY SY MPITONDRATENA (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KAMBOTY SY MPITONDRATENAMba sompatra loatra ity fiainana an-tany
Fa tena mafaitra, mangidy aok’izany
Mampitanondrika, mampitomany
Ny jaly vao lasa, ny eo misosoka ihany
Ilay andry niankinana, indray mipí-maso
Nidaraboka an-tany tsy nisy andraso
Nindaosinao r’ilay fahafatesana
Ny vady aman-janany mitondra faisana
Ny vadiny anefa vao nihetsi-jaza
Notampohin’ny anjara izay tsy sahaza
Namoy teo noho eo ilay olo-malala
Mila hitapy sy ho lasa adala
Kamboty vao teraka ny sombin’ny ainy
Ny nahaterahany no maty ny rainy
Mafy any izany na mbola tsy hainy
Rehefa lehibe mbola handona ny sainy
Soa fa misy ihany fanantenana
Azo amikirana, dia teny fikasana
Nomen’Andriamanitra Ray tsy mandao
Ao amin’ny Teniny ilay toy izao:
“Ilaozy ny zanakao ho kamboty,
fa Izaho no hamelona azy,
ary aoka Izaho no hitokian'
ny vadinao mpitondratena.”
(Jeremia 49:11)
Na izany na tsy izany ry mpamily fiara
Tandremo! Tandremo sao mamarara
Ka hahatonga kamboty tsy fidiny
Sy mpitondratena izay ho faraidiny
RFE Andria – 15/06/2015
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
z'andrygasy
(
15/06/2015 13:00)
Tsy Hoe ankaso ry Arofanina
Fa la hatrany tsy tohaina
Ny mangidy hatrany
Didy mitondra ny tany
Raha ilay zaza tsy nahita ny dadany
Izany no anjarany
Mampalahelo aloha lay tantara
Fa atao ahoana f'efa anjara
Tendrin'ny avo ka ekena
Fa izany no fahendrena
Dia mirary fiononana ho an'ireo
Vady aman-janan'ireo
Fenofeno ny foko raha nilazanao
Nefa tsy hita ny hatao
Soa fa nisy an'i Arofanina
Ny saina dia nilamina
N
Fa la hatrany tsy tohaina
Ny mangidy hatrany
Didy mitondra ny tany
Raha ilay zaza tsy nahita ny dadany
Izany no anjarany
Mampalahelo aloha lay tantara
Fa atao ahoana f'efa anjara
Tendrin'ny avo ka ekena
Fa izany no fahendrena
Dia mirary fiononana ho an'ireo
Vady aman-janan'ireo
Fenofeno ny foko raha nilazanao
Nefa tsy hita ny hatao
Soa fa nisy an'i Arofanina
Ny saina dia nilamina
N
Arofanina
(
21/06/2015 18:28)
Asa na izany tokoa ve no lahatra
na ihany koa lazaina ho anjara
fa raha ny hevitro izay mamahatra:
tsy fitandreman'ny mpamily fiara
na ihany koa lazaina ho anjara
fa raha ny hevitro izay mamahatra:
tsy fitandreman'ny mpamily fiara