KELY SISA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KELY SISA…

Kely sisa dia tsy hiteny
Izay re sy hita ombieny
Ka manohina ny hafa
Ilay dinika sy tafa
Na dia marina no ambara
Tsy azo arakitra ho tantara

Kely sisa dia tsy hilaza
An’ireo vaovao malaza
Saingy hoe manelingelina
Mety hangidy tsy ho telina
Satria izao dia ho voarara
Sy tondroina ho mamarara

Kely sisa! Kely sisa…!
Dia ho tantaram-paradisa
No hany sisa horenesina
Noho ilay didy tsy refesina
Izany ve no tena tsara?
Ny tantara no aoka hitsara!

RFE Andria – 06/07/2016
--------
Rohy:
990 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 06/07/2016 13:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156