MAFY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY
(nosoratana tao anatin'ny alim-potsy)

Mafy tena mafy
Ny miaritra ny rafy
Mahate-hamono
Marina tsy hono...

Mafy koa raha mafy
Izany hoe mihafy
Noho ny tsi-fisiana
Tena fijaliana...

Mafy samy mafy
Noho ny tsy mitafy
Anatin'ny hatsiaka
Ity manjo antsika:
Tsy mahita tory
Aretin'olona ory
Ilaoza-nofy mamy
Iriana fa tsy tamy...

Tsiky Arofanina (03/11/2015)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1072 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 02/11/2015 23:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0423