MAHANTRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA

Zary vodiahitriarivo fanitsaky ny mpanana
Toy ny omby mahia tsy lelafin’ny namana
Efa zatra ny mangidy ary koa ny manganana
Tsy mahalala vina na ny hoenti-kotantanana

Samy tsy ananana na soavaly vy na fiara
Ka miainga vao maraina raha tsy te ho tara
Tsy voafetra koa ny dia an-tongotra mazàna
Rehefa lany vatsy, tsy misy vola ao an-tanàna

Tsy misy antenaina, tsy nandova harem-bevava
Herim-po no ananana ary fihafiana lava
Raha sendra mitaraina, tratry ny hoe : « misy mihaino ? »
O ! ry lahatra ao ambony, mba tsinjovy sy saintsaino…

Mba mihetsika ihany fa dia ganagana mandro
Zara raha mihinan-kanina isan’andro isan’andro
Rehefa mba mahita vary ilaofana amin’anana
Dia mampifaly saina fa nitovy amin’ny mpanana

Ary ianao izay mamaky, dia izao no mba tsarovy :
Tsy dia fidiny ho azy ireny ny saranga tsy mitovy
Ka aza koa manampy trotraka fa manàna fo antra
Raha sendra tojo anao ireo olona mahantra

RFE Andria – 28/04/2015
--------
Rohy:
1451 0
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 02/05/2015 06:16)
Tena tsara le tononkalo ka! àr tokony hamaky an'ty daôl n olll retraretra @zay mahalala n tokony hataony! Merci e!
Arofanina ( 02/05/2015 15:05)
Misaotra nankafy sy nanoro hevitra e!
Azo zaraina any @ rindrina na pejy facebook koa izy io mba hampitombo isa ny olona afaka mamaky azy ka...
Arofanina ( 02/05/2015 15:05)
Misaotra nankafy sy nanoro hevitra e!
Azo zaraina any @ rindrina na pejy facebook koa izy io mba hampitombo isa ny olona afaka mamaky azy ka...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/04/2015 03:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0811