MAHEREZA ! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHEREZA !

Aza mitanondrika ianao fa mitrakà !
Ny Tompo eo hatrany ka aoka tsy hanahy
“Antsoy Aho”, hoy Izy, amin’ny andro fahoriana
“Dia hamonjy anao, hanala fijaliana”
Ireo teny fikasana ireo no saino sy banjino
Dia mivavaha mafana (ny varavarana arindrino)
Amin’ny fiainanao rehetra, aoka ianao hatoky Azy
Fa tsy olombelona Izy ka hoe hamazivazy…
Fa indraindray koa anefa mba misy fitsapana
Ampandalovany anao mba ho toy ny fisedrana
Amin’izany rehetra izany, ny fo aoka ho tonena
F’ianao hivoaka hamiratra toy ny volamena !!!
Mbola eo koa ireo namana - tsy eto Gasikara ihany –
Fa mbola misy maro am-pitan-dranomasina any
Vonona hitrotro am-bavaka, hifanolo-tanana
Fa ho amin’izany indrindra no ilàna namana…
Koa dia mahereza! Aoka izay ny indrisy !

RFE Andria – 14/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fampaherezana
1469 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 03:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154