MAMELA! (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMELÁ !

Ireo fahotako marobe
Na tsy hita sy tsy re
Nalavon’ny fakampanahy:
Raiko ô! Mamelà!

Ny hadisoako nifanesy
Tamin-dàla-nampiletsy
Nampitrosotrosona ahy:
Raiko ô! Mamelà!

Ireo fandikan-dalàna
Izay niniana, hadalana
Ka naningotra ny aiko:
Mba avelao re ry Raiko!

Ireo ota nolalaiko
Tao am-po sy tao an-tsaiko:
Ny fahasoavanao no ilaiko
Mamelà re ry Raiko!

Amena!

RFE Andria – 01/01/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 01/11/2015 03:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015