MAMY MAFAITRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMY MAFAITRA

Tsy ampy, hoy ianao ry tiana, ny fotoana izay nomeko
Hamborahanao imasoko ny ao am-ponao tsy miloaka
Ka toy ny mahatsapa ianao fa noporetiko, tereko
Hilaza sy hanambara etoana ilay fitia tsy tafavoaka

Dia norohanao ny molotro tamina oroka mangina
Oroka niampy fihina toa tantely raha ny hamaminy
Nitondra hafanana ho ahy, tosatosa-pifaliana
Namela dindo sy tsiaro miraikitra tampisaka aminy

Izaho nihevitra ny antsika ho fitia tena raitra
Hay ka oroka-veloma sy fihim-pisarahana
Ny tsiahy izay navelany sady mamy no mafaitra
Marika sarotra vonoina fa tapitra ny fiarahana…

Tsiky Arofanina – 23/10/2015
--------
Rohy:
1264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 22/10/2015 23:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149