MANIRERY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIRERY …

Alina ny andro, efa mipaika ny amin’ny roa ; diva alina maraina
Izaho tsy pizinin-tory, masoko midiridry, lasan’embona ny saina
Miantefa any aminao ilay malalako any ho any, ny fisenton’ny fo
Alina mangina, ali-maizim-bolana, ali-mangatsiaka koa
Ny fanahy tsy mitombina te hankany aminao, te hianoka fitia
Saingy indrisy, tapi-dalana ity nofy, tsy mamela ahy hankafy
Hany azoko atao ny mandefa ny tsiahy, ny fo sy saina manimanina
Nefa izany toa vao mainka, mahavery fanahy tratry ny sangodim-panina
Dia niarina ny vatako, feno alahelo anao, ngolingolin’ny hatsiaka
Nakorisako ny penina hamisavisa ilay fitia, dia ilay fitiavantsika
Any mantsy ianao Malala an, lavitra ahy, toa mahantra safosafo
Angamba koa manonofy ity fitia mampitamby izay mandoro toa afo…
Alina ny andro, izaho te ho eo anilanao, efa hipaika ny amin’ny telo
Ny ato anaty tsy mitony, itambolenan’ny fitia, dia fitia mamelovelo

RFE Andria – 18/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 04:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157