MANKALEO... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANKALEO…

Aoka izay fa leo aho !
Tsy akory hoe mizahozaho
fa tena boboka sy tofok’
ireo izay tsy mahovoka
tsotra izao minia manimba
ary koa manimbazimba
ny fiteny malagasy
voapentina, voatasin’
ireo soratsora-poana*…
Sady izay tsy tsaroan’
ny malagasy mihamaro
fa ny teniny afangaro
litera tsy anaty abidia,
dia faly ery mankafy…
Ireo teny bory rambo
zary lasa matinkambo
fa tena toy ny lamaody
tsy intsony mahakaody
fa ny adala sy ny bodo
samy tia, mirodorodo…

Aoka izay re rizareo
fa efa tena mankaleo!!!

Tsiky Arofanina – 18/10/2015

*soratsora-poana = asasoratra misy litera tsy ao anaty abidia (c, u, w…) sy teny bory rambo (ohatra: ts mb afak miov v n mpanoratr tnkl e…) ary mampifangaro ny teny malagasy amin’ny teny vahiny (ohatra: voaremarquer-ko, miconnecter-ava, j’aimer-o…)
--------
Rohy:
1086 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 18/10/2015 12:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106