MARAINA VAOVAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINA VAOVAO


Ny ampitson’iny indray
Maraim-baovao tamin’izay
Nibaliaka ilay masoandro
Rehefa injay nisandratr’andro

Ka iny faravodilanitra
Notazani-mahasalanitra
Fa namelombelona aina
Ilay tara-bao-maraina

Manamarika mantsy iny
Fa efa lasa ny fahiny
Ka dia pejy vaovao
No hosantarina izao

Ilay nandrasanao omaly
Nampahory, nampijaly
Efa nivalona any ho any
Efa lasana vinany

Indrý mamiratra ny ho avy
Ho anao re ranabavy
Ilay olona nandrasanao:
Efa hisolo vaovao !

RFE Andria – 19/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 04:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159