MARAINA VAOVAO...Velon- (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINA VAOVAO
...
Velon-tsaotra re ny fo
Noho ity maraina vao
Izay nomenao ry Tsitoha
Noho ny fitiavanao
...
Hodidino fitahiana
Ary koa fahasoavana
Dia fenoy fifaliana
Hasambaran-tomandavana
...
Eo Aminao no apetrako
Ity androko tontolo
Ny fikasana rehetrako
Ho maraina velom-bolo
...
RFE Andria - 22/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
1149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 22/10/2015 02:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152