MBA SATRIKO AZA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA SATRIKO AZA …

Toy ny rano ao an’ala, madio, mahafaka hetaheta
Ny fitiavanao rahavako, fitia tsy mitetateta
Fa fitia izay mandravaka ny fontsika mifangia
Satriko aza ho eo foana, higoka ilay fitia doria…

Tao an-jaridainantsika izay ravaham-boninkazo
Voninkazo tsara loko , voronkely koa nivazo
No nifamboraka isika: zava-niafina ao am-po
Mba satriko aza tsy ho tapitra ilay niarahantsika roa

Teto aho, tetsy ianao: nifamihina isika
Ny orokao amin’izany, mihoatra noho ny fofom-pika
Mba satriko aza tsy hiato, eny ho’aho sombinaina
Fa maraina foana ny andro vao misaraka malaina

Ireo masonao toa kamory manganohano soa ery
No mitaratra hazavana, tarataratra fitia
Mampiontana ity foko, lasa tena babonao
Mba satriko aza ho feno antsika raha izao tontolo izao

Fitia santatra hariva tao am-bohitry ny nofy
Notohiza-mandrak’alina, ka ny molotro tohofy
Mba satriko aza re ry tiana raha ny androntsika sisa
Ho fitia mamatonalina hianohana ny paradisa !!!

RFE Andria – 09/05/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
833 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 15:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314