MBOLA HITIA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HITIA…

Dia nitia tokoa aho…
Tsy nizahozaho
Na niavonavona
Nanakatra ny zavona
Fa natolotro avokoa
Ny fitia tao am-po
Kinanjo tsy nahoany
Mainka nohadinoiny…

Na izany aza re
Tsy handevin-tsotrobe
Fa mbola hitia indray
Ilay malalako izay
Io tiako io hafakely
Fa mifanahin’anjely
Ny fitiavany modely
Natokany ho ahy irery

Dia nitia aho
Ary mbola mitia
Tsy hitsahatra hitia…

RFE Andria – 02/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
740 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 04:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149