MIANDRY ANAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANDRY ANAO

Na rahoviana na rahoviana
Miandry anao aho ry tiana
Alina, maraina, atoandro
Miandry anao aho isan'andro
Tehiriziko hatrany
Ato am-poko ilay mamy
Ilay fitia efa fantatrao
Fa natokako ho anao
Ho anao irery akia Malala
Fa tampisaka tsy miala
Izaho tia ka mahandry
Ny fitiavanao no andry

RFE Andria - 25/09/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 25/09/2015 08:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155