MIANTORAKA EO AMINAO - RFE Andria
Azo vakiana?
MIANTORAKA EO AMINAO
Miantoraka eo Aminao aho ry Raiko any ambony
ny samboaravoaram-piainako eo Aminao dia tony
mandohalika eo Aminao isan'andro aho mivavaka
mba afaho re ry Tompo, esory avy ao an-davaka
Lavaka mangitsokitsoky ny areti-mampijaly
lavaky ny fahotana izay nandavo ahy omaly
lavaky ny honahonam-pahantrako mihetraketraka
lavaky ny famoizam-po izay tena mahaketraka
Ka isan'andro, isan'alina eo Aminao no iantorahako
ary eo am-pelatananao irery ihany no ametrahako
ny momba ahy manontolo sy ny amiko rehetra
fa Ianao no Ilay Raiko tia ahy tsy misy fetra
RFE Andria - 22/09/2016
Sokajy :
Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 22/09/2016
Mpamangy : 1237
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA