MISANDRATRA (RFE Andria)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISANDRATRA

Dia nisandratra ilay Kintana
Fa efa tojo izany vintana
Niha namiratra miavaka
Eny anivon’iny habaka
Ary izany ve ? satria
Onjaonja-pitia
No tara-kevitra voiziny
Sady lala-notohizany
Eny an’habaky ny nofy…
Io fitia io no tohofy
Raha te hiano-pahasambarana
Sy hafaliana tsy mifarana

O! ry Kintana eny ambony
Tsilovy itony lalanay itony
Fa izahay ety an-tany
Manina, maniry ho any
Sa hisaraka hatreto
Ny dia izay nombana teto?

Ry Kintanay, O! misandrata
Dia tohizo , mamirata!
Izahay ety hanohy mitazana
Ny habakao izay maitso mavana…
Izany re no firariana
Enga hombam-pitahiana

RFE Andria 20/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Firarian-tsoa
945 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/02/2015 04:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118