MISERANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISERANA

Raha toa ka semban-drahona ny lanitrao anio
Tsarovy, mibaliaka ny masoandro ao ambonin’io
Tsy mitsahatra mamiratra ny tara-pahazavany
Ary koa mamelon’aina ny zara hafanany

Raha toa ireo masonao indreo mirotsak’orana
Noho ny onjan’alahelo misendaotra mahatorana
Antenao fa mbola ho ritra sy ho tankina ireny
Ka hisolo hafaliana mandifotra eny an-keniheny

Raha toa ka tsapanao mamirifiry ny ririnina
Fa mampijafajafa anao manao kely tsy tohinina
Fantaro fa miserana io, tsy ho hita hoe ahoana
Tsy haharitra ela akory hodimbiasin-dohataona

Tsiky AROFANINA – 18/07/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 18/07/2015 12:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225