MITARAINA NY TONTOLO IAINANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITARAINA NY TONTOLO IAINANA

Mitaraina ny tontolo, ny habakabaka eny ambony
Migorasy tsotra izao tsy hiaro antsika intsony
F'efa feno ny kapoaka, mitobaka ny tafahoatra
Migorodana ny rano, ny maripàna koa mitroatra

Mitaraina ny tontolo, ny tany injao fa mitoreo
Feno loto isan-karazany dia midrikina fa leo
Naboridana izy mantsy, nozimbaina koa ny hasiny
Natao tsinontsinona sy nosimbaina izany lasiny

Mitaraina ny tontolo, ny farihy sy ireo renirano
Ny ranomasina tomany ‘ndeha anie mba tazano
Fa mihandrona ao ny loto, lasa fanariam-pako
Ny hiakiakany injao midradra sy manakoako

O! ry Malagasy namako: moa renao ve ny taraina?
Andeha isika hifanentana dia hiara-tonga saina
Hanarina ny efa rava, hikolo ny ambiny tavela
Mba hisy holovain-taranaka ireo rakitry ny ela

Tsiky Arofanina – 27/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
2490 1
Mpakafy: ajnal
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 28/11/2015 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155