NAFOIKO - RFE Andria
Azo vakiana?
NAFOIKO
Dia nafoiko akia ilay vony
Tsy notiaviko intsony
F'ao an-jaridainan'olona
Fa tsy izaho no miolonolona
Na dia kanto sady manitra
Mamerovero, mahasalanitra
Dia izay no fahendrena
Mamoy ny fitiavan-tena
Na dia mampijafajafa
Tsy maintsy afoy f'efa an'ny hafa
Maharary ny ati-foko
Misamonina ao ny toloko
Fa nafoiko ianao rahavako
He! nafoiko ilay fitiavako
ARIVELO NAIVO - 28.02.2017
Sokajy :
Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 04/05/2017
Mpamangy : 647
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA