NAHOANA...? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA… ?

Nahoana kosa ho’aho akia
No dia horaiketina an-diary
Ny fizotry ny fitia
Fa tsy haseho an-karihary?
Ianao vonona hisedra
Izaho vonona hizaka
Satria ity tsy rendrarendra
Fa fitiava-lalim-paka
Ny fatoran-tsy nafehy
Fa nahandrotra ihany
Fa ny antsika ilay kofehy
Dia naharitra hatrany
Koa ‘ndeha ary ny tantara
Hohavaozina indray
Ka hovaina ny anjara
Izay nangia hatrizay…
Hofoanana ny sento
Izay mamesatra ny fo
Fa hasambarana hatreto
No hianohantsika roa!
Aoka ho zary tena izy
Ireo nofy novisaina
Dia ho hasambarana izaitsizy
No hameno fo sy saina
Ka isika hifanoroka
Isan’andro vao miloaka
Tsy hitsahatra na doroka
Oroka mipoapoaka
Hifamihina isan’ora
Fihi-mamy fa tsy an-tsary
Fitiavan-tsy hatsora…
Tsy aleo izay toy izay diary?

RFE Andria – 24/09/2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
733 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 11:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156