NAMBARAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMBARAKO…

Izaho saiky tsy hilaza
Sao dia toy ny lalaon-jaza
Dia ankamantatra ihany
Vazivazy kanjo izany…

Izao dia izao aho hanambara
Amin-kira sy farara
Arahim-baliha tsara feo
Ny nihaonantsika teo:
Any ho any ilay tanàna
Vohitra izay mahatamana
Tao isika no nisangy
Niara-nilalao voahangy
Vatosoa sarobidy
Ka ny iray nofinidy
Nataoko ho firavakao
Mino aho fa tsaroanao…

Io ilay vohitry ny nofy
Manasitrana ireo rofy
Ary koa ireo takaitra
Navelan’ny fitia nanaitra
Fa tsy naharitra akory
Fa vao mainka nampahory

Io vohitry ny nofy io mantsy
Ambohipihaonan’ireo fantsy
Miangaly izany kanto
Aingan’ny fanahy milanto
Tao indrindra re rahavako
No nahatsinjovanao ny tavako
Ka moa tandindona ihany???
Asa anao izay nanontany !!!

RFE Andria – 02/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
598 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 09/02/2015 05:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153