NANDISO FANANTENANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANDISO FANANTENANA

Ny politika malagasy ho'aho
ataon'ireo mizahozaho
dia politikan'ny ady seza
fitadiavana ho ngeza
hanagiazana harena
hambotriana firenena
bahanan'ny fitiavan-tena...
Angaha tsy efa mahonena!!!

Ny vahoaka no ampiasainy
hahazoany izay ilainy
ataony tohatra fiakarana
avy eo dakany tsy hiarina
mody hoe lambolamboiny
ary koa hasohasoiny
hay fihatsarambelatsihy
eo imaso mody tia...

Mitandrema ialahy vahoaka
fa misy teny mipoapoaka
izay mambabo, mampihiaka
hay ka fikam-politika
fa rehefa azony ny nilainy
izay ialahy dikadikainy
eo ialahy vao mihanahana
hoe nandiso fanantenana...

RFE Andria - 28/08/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
909 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 28/08/2016 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108