NANDRORA MIANTSILANY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANDRORA MIANTSILANY

Manevokevoka izany hafanana
Mila handoro tsy mahatamana
Izany no vokatry ny hadalana
Ny tontolo iainana no nosimbaina

Ny soson’ôzônina lasa manify
Ny dion’ny rivotra lasa nidify
Isika no zary toa mitraky nify
Tsy mahazo aina fa miampifimpify

Iza no ndeha hotsiniana amin’izany
Rangory fototr’ity afo mavàny
Nitarika ity fahasimban’ny tany?
- Isika izao no nandrora tsilany

RFE Andria – 15/11/2015
--------
Rohy:
939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 15/11/2015 12:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149