NY BATISAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY BATISAKO

Ny batisako, ry Tompo, dia batisa fiaikena
Ireo otako rehetra ary koa ireo fahalemena
Na ireo hita sy tadidy, na ireo tsy tsaroana
Dia samy entiko eto, ibabohako etoana

Ny batisako, ry Tompo, dia batisa fibebahana
Fialana amin’ny ratsy ka ho amin’ny fahafahana
Fanomezana lamosina ny fiainan-dasa teo aloha
Ho amin’ny fiainam-baovao izay tena tsara tokoa

Ny batisako, ry Tompo, dia batisa fanaikena
Ny fahamarinanao isaina ho ahy sy omena
Ary atafinao ahy tsy hisehoan’ny fahamenarako
Sy mba hanoratanao any an-danitra ny anarako

RFE Andria - 09/07/2016
--------
Rohy:
1033 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 09/07/2016 15:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158