NY FANANTENAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANANTENAKO

Tsy maty tsy akory ny fanantenako
f'injao mikoriana ao anatin'ny rako
mamelona aina ary koa mampahery
sy manambara f'izaho tsy irery

Tsy maty tsy akory ny fanantenako
f'injao ao anatiko manakoako
mibitsika mora am-po sy fanahy
ka milaza amiko tsy hanahiahy

Tsy maty tsy akory ny fanantenako
fa io mampihiratra ny fahitako
ny tanam-pitiavan'ny Raiko Tsitoha
mitantana ahy, mitsinjo tokoa

RFE Andria - 12/09/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 12/09/2016 17:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157